Fandriampahalemana

Fametrahana fandriampahalemana Feno 9 taona ny HWPL


  • Zoma 27 Mey 2022

Feno 9 taona ny 25 may 2022 teo ny HWPL na ny rafitra iraisampirenena miompana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao.

Noho ny ahamehana ara-pahasalamana mbola mitoetra moa dia tsy nisy tamin’ity ny diabe ho an’ny fandriampahalemana toy ny fanao isan-taona. Ho an’I Madagasikara manokana dia tetsy amin’ny foiben’ny UNESCO etsy Behoririka no nandraisana ny seminera iraisampirenena tamin’ny alalan’ny fimaso lehibe na “visioconférence” moa no filaza azy ankehitriny. Zandriny indrindra amin’ireo HWPL maneran-tany no misy eto Madagasikara satria vao herintaona monja, hoy ny fanazavana, izay no nitsanganany. Tsy kivy izahay ary ekena fa mirongatra tokoa eto amintsika ankehitriny ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra, hoy ny tomponandraikitra, Rafidiarisoa Dera Jelia, ary araka ny fampitam-baovao efa natao hatrany dia manomboka ampidirinay eny anivon’ireo sekoly ankehitriny ny fanabeazana momba ny fandriampahalemana.
J. Mirija
Legende: Tetsy Behoririka ny alarobia teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT