Fandriampahalemana

Famerenana omby 161 Nanaovan’ny zandary vy very ny ainy


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Omby 161 tao Ampilifily, fokontany Antehalimboro Kaominina Imanombo,

Distrikan’Ambovombe no noraofin’ny dahalo manodidina ny 40 lahy mitam-piadiana ny alin'ny 24 hifoha omaly 25 desambra 2019.  Rehefa nandre izany ny Compagnie Gendarmerie Ambovombe dia nandefa ireo zandary tao amin'ny CSAO Imanombo hanara-dia. Tao amin'ny Kizo atao hoe Soakija 18 km miala an'Antevamena no nifanehitra ireo zandary sy ireo daholo, raha ny tatitry ny mpitandro filaminana. Rehefa raikitra ny sakoroka, dia resy tosika ireo dahalo ka navelan'izy ireo avokoa ireo omby halatra sady nandositra nihazo an'Andriry izy ireo. Noho ny andro maizina moa dia ny maraina vao notohizana ny fanarahan-dia sy hazalambo an'ireo dahalo mba tsy hisian'ny loza. Naverina amin'ny tompony avokoa ireo omby, izay nanehoan’ny olona fisaorana ho an'ireo zandary avy ao amin'ny CSAO Imanombo.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT