Fandriampahalemana

Fambolena, fivarotana ary fifohana rongony 9 mianadahy no tratra teny Anosibe sy Andrefan’Ambohijanahary


  • Talata 24 Janoary 2023

Olona 9 mianadahy mianaka no tratra teny Anosibe, Andrefan'ambohijanahary ary Manarintsoa Isotry, rehefa nivarotra sy namboly ary nifoka rongony. Manomboka ny fanadiovana ny tananan'Antananarivo renivohitra

mahakasika ny resaka zava-mahadomelina izay nataon'ny SUT Tsaralalana. Enina tamin'ireto voasambotra ireto dia vehivavy avokoa ary 15 taona sy 16 taona ny zandriny indrindra amin'izy ireo raha 45 taona ny zokiny indrindra. Efa nigadra teny Antanimora tamin'ny resaka rongony ihany ny iray tamin'izy ireo izay nivoaka tamin'ny taona 2022 ka izao tra-tehaka izao indray. 205 fonosana no tra-tehaka tany amin'ireto vehivavy ireto izay mpamatsy rongony an'ireo faritra voalaza etsy ambony ireo. Nandritra ny fisavana ny tranon'izy ireo dia mbola nisy nahatratrarana rongony 2 fototra izay hambolen'izy ireo. Miisa 3 ny lehilahy voasambotra nandritra ity hetsika fanadiovana ity ka 23 taona ny zandriny indrindra raha 34 taona ny zokiny indrindra, ireto farany izay fantatra fa samy teo am-pifohana rongony avokoa no tratra teny Anosibe sy Andrefan'ambohijanahary. Efa nigadra ny iray tamin'izy ireo noho ny resaka halatra ary nivoaka ny fonja ny taona 2020 ka izao mamerin-keloka izao indray. Natolotra ny fampanoavana omaly 23 janoary ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ny 4 amin'izy ireo, izay vehivavy miisa 3 ka lehilahy ny iray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT