Fandriampahalemana

Famatsiana zava-mahadomelina ao Port Bergé 3 lahy sarona niaraka tamin’ny rongony, toaka gasy,...


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Lehilahy miisa telo, 23 sy 31 ary 58 taona no nosamborin’ ny Polisy afak’omaly 31 Febroary tao Port-bergé rehefa nitondra rongony sy toaka gasy.

Tao anaty taxi-brousse iray no nahatrarana azy ireo ka milanja 21 kilao ilay rongony raha tao anaty bidons miloko mavo miisa 6 kosa ireo toaka gasy niampy ravim-paraky milanja 60 kilao. Loharanom-baovao mari-pototra no efa azon'ny Polisy mahakasika ny fisian'izy ireo ary efa natao daholo ny velam-pandrika rehetra ka nahafahana nisambotra azy telolahy ireo. Teo amin'ny sakana nataon'ny Polisy teo Andrimbavontsona port-berge izy ireo no tratra, raha tsiahivina. Efa notazomina any amin’ny biraon'ny Polisy ilay rangahy 31 taona izay nitondra ireo zava-mahadomelina ireo niaraka tamin'ny soafera sy ny soaferan’ny mpanampy nitondra ilay taxi-brousse.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy sy ireo rongony nentiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT