Fandriampahalemana

Famatsiana rongony eto an-drenivohitra Telo mianadahy no tena ati-doha, cannabis 10 kg no tratra


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Olona miisa telo ka vehivavy ny iray no tra-tehaky ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy ny 12 desambra teo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina noho ny resaka famatsiana rongony eto an-drenivohitra.

Fantatry ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ity sampana ity ny fisiana fiara mazda iray avy any amin’ny faritra izay voalaza fa mitondra zava-mahadomelina. Natao avy hatrany ny fanaraha-maso ilay fiara ary nosavaina ka tra-tehaka tetsy Iavoloha izy io izay avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ary miasa mampitohy an’Antananarivo renivohitra. Rehefa natao ny fizahana dia hita tao amin’ny fitoeran’entana tao anaty harona plastika mbola tao anaty gony ny rongony (cannabis) milanja 10 kg. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ireo olona telo voasaringotra tamin'izany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa isan’ny mpamatsy rongony ny eto an-drenivohitra izy telo ireto izay 42 sy 45 ary 50 taona. Tompon’entana sy ireo mpiara-misalahy aminy izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny 13 desambra teo izy ireo ary notanana am-ponja vonjy maika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT