Famatsiana moto ny jiolahy

2 lahy ahiahiana voasambotra teny Anosizato


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Manoloana ny tranga fanafihana mitam-piadiana nifanesy teto an-drenivohitra

dia tsy mitsahatra mikaroka ireo mpanao ratsy ny Polisim-pirenena. Lehilahy roa 20 taona sy 26 taona no tratran’ny Service Anti-Gang (SAG) teny Anosizato Atsinanana ny Alahady 19 Janoary teo. Afak’omaly Alatsinainy 20 Janoary kosa dia nahitan'ny polisy miasa ao amin'ny boriborintany fahadimy ao Mahamasina moto halatra miisa telo ny tranon'ireto lehilahy mampiahiahy ireto. Ahiana ho isan'ny mpanome moto ho an’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana izy ireo araka ny fanadihadiana. Taorian’ny fisamborana ireo roalahy ireo sy ny fahatratrarana ireo moto halatra dia noraisin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava (Brigade Criminelle) ny famotorana amin’ity raharaha ity.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo moto tratra tao aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT