Famakiana tranon’ny mpiasan’ny Oniversite

Olona roa no efa voasambotra tao Fenerive Est


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nisy namaky ny tranon’ny mpiasa iray eo anivon’ny oniversite-n’i Fenerive Est ny 21 Aogositra teo tokony ho tamin'ny 07 ora sy sasany.

Nametraka fitoriana ilay lasibatra nanoloana izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon'andraikitra tamin'ny fikarohana ireo mpanao ratsy ka tamin’ny 25 Aogositra teo dia voasambotra ny iray tamin'ireo olon-dratsy. Ny polisy miasa ao amin'ny CSP Fenerive Est no nahatratra azy io, izay niaiky avy hatrany ny halatra nataony ary nanamafy fa nahazo "Ecran plat" iray,"subwoofer" iray ary "batterie roa izy tao amin’io trano vaky io. Ny 26 Aogositra teo kosa no voasambotra ny namany iray. Mbola hita ny ampahany tamin'ireo entana very izay tratra tao amin'ny fianakavian'ireo mpandray ny entana halatra izay mbola andalam-pikarohana. Naiditra am-ponja vonjy maika omaly izy roalahy ireo izay vao 16 taona monja ny iray raha 20 taona ny iray.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy namaky ny tranon’ny mpiasa eo anivon’ny oniversite-n’i Fenerive Est
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT