FAMAKIANA TRANOM-BAROTRA TENY ANKERANA

Voasambotra teny Andraisoro sy Anosizato ireo olon-dratsy


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny Boriboritany fahavalo eny Analamahitsy

ny lehilahy miisa 04 ny 24 Septambra teo rehefa nangalatra sy namaky trano. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ ny 17 Septembra teo tokony ho tamin’ny 3ora maraina dia nisy trano vaky tao Ankerana,Ankadindramamy. Tranom-barotra iray mpamongady enta - madinika no niharan’ny asa ratsy lasibatra ka maro ny entana very nandritra izany toy vary 05 kitapo , lafarinina 01 kitapo, siramamy 01 kitapo, menaka 05 bidons ,savony 12 cartons ary lela - vola 2.000.000Ar. Taorian’ny fikarohana nataon’ ny Polisim-pirenena dia voasambotra teny Andraisoro ny 21 desambra teo ny roalahy ary ireto farany indray no nanoro ny namany ka voasambotra teny Anosizato ny 22 septambra 2024 ny roalahy hafa .Tafaverina amin’ny tompony kosa ireo ambin’entana tavela teny amin’izy ireo. Natolotra ny Fampanoavana ny 23 septambra teo ary naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora izy efa-dahy.
Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT