Famakiana tranom-barotra niaro halatra

Mpampianatra iray sy mpianany roa voasambotra


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Aleo hafarana sy hanarina tsara ihany ny ankizy mba tsy hahatoky fahatany izay rehetra maniraka azy fa tena zava-doza tokoa

Hita afak’omaly alina tokony ho tamin’ny11 ora ireo tovolahy kambana rehefa nanaovana ombay mitady andro vitsivitsy lasa izay. Tao amin'ny toby fitehirizan’entana iray tao Ambodivoara, Fokontanin’Andranovao Kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely izy roalahy no hita. Sady nisotro ranom-boankazo izy ireo nandritra izany no nasain-dramose mpampianatra azy niandry entana koa. Raha tsiahivina kely dia efa nisy namaky tamin’ny 18 aprily lasa teo ary nahafatesana jiolahy iray ity toerana fitehirizan’entana ity. Nisy namaky indray anefa io toerana fitehirizan’entana io ary voalazan'ireo zaza ireo fa i ramose sy ny namany hafa no naniraka azy roalahy hijanona teo ary hiambina ireo entana tsy zakany fa izy ireo kosa haka ilay lakile adinony. Potika avokoa moa ny cadenas miisa 12 teo amin'ny varavaran'ilay toby fitehirizan’entana ary nisokatra ny varavarana rehetra. Niongotra koa ny tolàna. Zava-pisotro 12 cageots no very ary mbola tratra teo amin'ireo ankizy ny ambiny tsy voataona sy izay efa nosotroin'ireo zaza. Nosamborina avy hatrany ireo mpampianatra miisa roa tompon’antoka. Miisa 3 moa ireo voasambotra tamin’ity raharaha ity izay mpanamboatra fiara avy any Antetezana afovoany ny iray.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT