Fandriampahalemana

Famakiana ny hotely lehibe tetsy Tsaralalana Vehivavy mpiasa no niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nisy namaky ny biraon’ny tompona hotely lehibe iray etsy Tsaralalàna ny alin' ny 27 septambra lasa teo. Entana mitentina 10 tapitrisa Ar no very tamin'izany ka ny 28 oktobra no tonga nametraka fitoriana ireo tompon’andraikitra tao an-toerana.

 

 

 

 Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny polisy teo no nahalalana fa nisy niray nitsikombakomba tamin'ireo jiolahy ireony mpiasan'ny hotely. Nosamborina avy hatrany ireo mpiasa miisa 03 ka vehivavy ny 01. Ity farany izay efa niasa an-taonany tao amin'ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity ary miandraikitra ny fikirakirana vola an'ilay hotely. Fotoana fohy taorian'ny fisamborana an'ireto mpiasa ireto dia tra-tehaka ihany koa ireo jiolahy namaky ilay birao ka miisa 03 ihany koa izy ireo raha mbola tadiavina kosa ny vadin'ilay vehivavy mpiasa voatonona etsy ambony izay fantatra fa anisan'ny nanao ny asa ratsy. Tao anatin'ny famotorana no nahalalana fa efa in -droa nanofa "Chambre" tao amin'ilay hotely izy ireo nialohan’ ny namakiany ilay birao ary ny "coffre" no saika hovakiana saingy tsy nety nisokatra ka izay entana tao no nalain'izy ireo . Marihina fa efa in-droa nisy namaky ity hotely lehibe ity talohan’izany. Rehefa avy natolotra ny fitsarana izy 06 mianadahy ireto dia ny 05 tamin'izy ireo naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy mpiasa.

Pati

 Legende : Ireto izy enina mianadahy fa nahazo fahafahana ilay vehivavy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT