Fandriampahalemana

Famakiana ny fiarana depiote Ankizy 5 no ati-doha niaraka tamina olon-dehibe 2


  • Talata 16 Martsa 2021

Olona fito hatreto no voasambotra taorian’ilay resaka famakiana fiara tao Ampotatra Tolagnaro ny 03 martsa lasa teo.

 

 

 Ny dimy amin’izy ireo dia mbola tsy ampy taona raha araka ny fantatra. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ana solombavambahoaka iray ao Tolagnaro io fiara nisy namaky io ka nametraka fitoriana ity farany. Araka ny nambaran’ity solombavambahoaka ity dia adinony ny nanidy ny fiarany tamin’io datin’ny 03 martsa io. Mbola tamin’ny 10 ora atoandro rahateo ny ora tamin’io andro io. Tsikaritr’ireo ankizy nilalao teo amin’ny manodidina anefa izany ka nosakafan’izy ireo ilay fiara ary nalain’izy ireo avokoa ny poketra nisy firavaka lafo vidy maro samy hafa, « tablette » marika samsung, finday marika samsung galaxy S8 sy taratasy maro hafa ary lelavola 8.000.000 Ar tao anaty fiara. Ny 08 martsa lasa teo araka izany no nahazo loharanom-baovao mari-pototra ny polisy mikasika ireto ankizy mpangalatra ireto. Niaiky ny heloka vitany avokoa ireto ankizy ireto nandritra ny famotorana natao tamin’izy ireo ary mbola nanoro ireo olona efatra hafa izay nividy ireo entana avy nangalarin’izy ireo. Niroso tamin’ny fisamborana ireto roalahy nividy ny entana halatra ny polisy ary mbola tafaverina ny ankamaroan’ireo entana nangalarin’izy ireo ankoatra ilay lela-vola izay tsy hita intsony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT