FAMAKIANA HOTELY LEHIBE TENY ALASORA

Mody adala ilay jiolahy iray tratra


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Mody adala ilay jiolahy iray fantatra fa namaky hotely lehibe teny Alasora ny Alahady 02 Febroary

nifoha Alatsinainy 03 Febroary lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia very tamin’izany ny solosaina miisa roa marika DELL sy ASUS, niampy vata fitoeram-bola sy antontan-taratasy. Hitan'ny "caméra" anefa izy roalahy vahiny tsy nandondòna teo am-baravarana ireo ka natao ny fikarohana azy. Fantatra tamin'ny alalan'ny angom-baovao ny iray tamin'izy ireo ka ny 13 Febroary teo no voasambotra ny tovolahy iray monina ao Antsahamamy Fokontany Andranovory , Boriborintany fahadimy. Ny nahatsikaiky nandritry ny famotorana azy hoy ny vaovao dia niaiky ny lehilahy fa tena sariny tokoa io hita tao anaty vidéo io saingy modiany nitapy.Tena sariko io sefo, ary io mihitsy ny satroka ba sy ity akanjo hanaovako ity hoy izy. Mbola nampiany anefa hoe “ inona ary no hataoko ao anaty caméra ao ? Tsy fantatro akory hoe iza io bandy miaraka amiko io ?...Natolotra avy hatrany ny Fitsarana ny anaolahy vokatr’izany ka efa maka saina any am-ponja amin’izao fotoana izao.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT