Fandriampahalemana

FAMAKIANA FIARA SY HALATRA KOJAKOJA Tovolahy iray tratra teny Ankadifotsy Befelatanana


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Tovolahy iray 23 taona no tratra teny Ankadifotsy Befelatanana rehefa namaky fiara sy nangalatra kojakojam-piarakodia.

Ny alin’ny Alahady hifoha alatsinainy teo no nahatrarana azy io rehefa nanao ny asa fisafoana ny polisy miasa ao amin’ny CSP3 ka nandalo toeram-piantsonana sy fametrahana fiara iray teny amin’ny manodidina. Tao anaty maizimaizina tsy misy mpahita no nahenoana feona fiara misy manakatona ny varavarany, kanefa tsy misy jiro mirehitra. Nanantona ilay fiara ny Polisy ka inona tokoa, fiara iray no efa voapitsoka ny varavarany no hita tao. Tratra tao anatiny ny tovolahy iray teo am-pamakiana fiara. Eo am-pikirakirana ny « auto-radio » ity farany no izao tratra izao, ary tsy manana lakilen’ny fiara akory izy rehefa nanontaniana. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao izy, araka izany nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa mpanao io asa ratsiny io izy ary amin’ny alina foana no matetika hanatanterahany izany. Na izany aza tsy nisy na inona na inona azony tamin’ny famakiana ity fiara ity . Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT