Fandriampahalemana

Fakana an-keriny zazalahy kely Tratra ilay rangahy nitaky 4 tapitrisa Ar


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

Tratra tao Antsohihy omaly alarobia 18 aogositra ilay rangahy nitaky vola 4 tapitrisa Ar ho takalon'ilay zaza lahy 7 taona nalainy an-keriny tao amin'ny Fokontany Andranomena,

 Kaominina Ampandriankilandy efa roa herinandro lasa izay. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 30 jolay lasa teo no tonga nitaraina tao amina fianakaviana iray Rtoa Sahondra nilaza ny amin'ny tsy fahitany ny zanany atao hoe : Daslin. Voalaza mantsy fa nentin'ny raikeliny antsoina hoe : Alizara na i Lebandrainy hanefa vidim-panafody tao Ampandriankilandy ny zanak’io Ramatoa io ny 29 jolay lasa teo. Akory anefa hagagan'ny Rtoa Sahondra raha niantso ilay rangahy izay nilaza fa lasa lavitra izy ireo ary tsy haveriny ilay zazalahy raha tsy manome lela-vola 4 tapitrisa Ar azy izy ireo ho takalon’izany. Nataon’ny zandary ny vela-pandrika nandritra izany ka sarona soa aman-tsara ity lehilahy iray ity. Marihina moa fa salama tsara ilay zazalahy ary efa eo akaikin’ny fianakaviana izy. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela kosa ilay rangahy nanao asa ratsy.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT