Fandriampahalemana

Fakana an-keriny zanaka Karana 400 000 euros ny vola notakiana, 7 voasambotra


  • Zoma 18 Febroary 2022

Olona miisa 7 hatramin’ny omaly no efa voasambotra mikasika ilay raharaha fakana an-keriny zanaka karana vao 3 taona monja teny Ambodivonikely Ambohimanarina niseho ny 07 febroary lasa teo.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia jiolahy miisa 4 no indray niditra tao amina orinasa iray eny an-toerana niaraka tamin’ny basy sy ny big boss tamin’io andro io ary naka ity zaza ity avy hatrany. Nentiny teny Antanandrano ilay zaza raha araka ny fanazavan’ny kolonely Randriantahiana, tompon’andraikitra misahana ny ady heloka bevava etsy Fiadanana izay mandray an-tanana ny raharaha ary nentiny teny Ambatobe avy eo. Nandeha ny antso an-telefaonina niampita tany amin’ireo Ray aman-dRenin’ilay zaza nandritra izany fa mila 400.000 Euros izy ireo ho tambin’ny famotsorany ilay zaza tsy manan-tsiny. Nihetsika ihany koa anefa ny zandary taorian’izany. Tamin’io andro io ihany saingy tokony ho tamin’ny 08 ora alina dia naterina vehivavy iray ilay zaza ary nambarany fa sendra hitany teny Ambatobe. Ity Ramatoa ity no natao fanadihadiana araka izany ka nanoro ireo namany ary fantatra tamin’izany fa monina ao Ankadifotsy ilay tena atidoha nikotrika ity fakana an-keriny ity. Olona roa sisa no tadiavina amin’ity raharaha ity.
Pati
Legende : Ireto izy 7 efa tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT