Fandriampahalemana

Fakana an-keriny Votsotra omaly hariva i John Razaly


  • Zoma 12 Janoary 2018

Iray volana latsaka kely taorian’ny nakana an-keriny azy dia fantatra fa navotsotra omaly hariva i John Razaly, ilay tovolahy vao 23 taona monja, teratany vahiny mpiasan’ny orinasa UCODIS.

Re fa nandoa onitra araka ny fitakian’ireo mpaka an-keriny ny tompon’ity orinasa ity ka iza no namotsorana an’i John Razaly.Raha iverenana kely ny tantara dia tsy nandrenesam-baovao ny tovolahy hatramin’ny omaly alakamisy 11 Janoary eny fa na dia ny toe-pahasalamany monja aza. Tsara ho marihana ihany koa fa olona faninefany miasa na misy ifandraisany amin’ny UCODIS nisy naka an-keriny ity tovolahy ity ary dia fandoavana vola be hatrany moa no takalon’ny famotsorana. Lasa mihorohoro tanteraka ireo  mpiasan’ny orinasa UCODIS. Tsy mandry andro tsy mandry alina ihany koa ny CFOIM, indrindra hatramin’ny faran’ny taona no mankaty izay nampahazo vahana tanteraka ny fakana tera-tany vahiny an-keriny teto amintsika. Vehivavy tera-tany vahiny  iray vao 22 taona ihany koa mantsy no nisy nandrahona ny haka an-keriny talohan’ny fetin’ny Krismasy lasa teo, tranga tao alohan’ny  nakan’ireo tsy mataho-tody an’i Nathan, ilay tovolahy kely vao 14 taona, zanaka Malagasy mpandraharaha teny Andranotapahana. Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray andraikitra haingana araka izany ny CFOIM ho fiarovana ny zon’izy ireo. Mitovy amin’ny teratany Malagasy ihany mantsy izahay, hoy izy ireo noho izany tsy tokony hisy fanavakavahana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT