Fandriampahalemana

Fakana an-keriny Tranga 14 no niseho, olona 14 no nosamborina


  • Talata 20 Aogositra 2019

Mbola mahazo vahana hatrany ny fakana an-keriny eto amintsika. Anisan’ny tena nalazabe ohatra tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fisiana lehilahy iray nisy naka an-keriny tao Ambatondrazaka ary nidina tamina trano tsy fantatra nandritra ny dimy alina.

 

 

 

 

 Anisan’ny mijery akaiky ireny ny polisim-pirenena. Tranga fakana an-keriny miisa 14 no niseho teto amintsika hatramin’ny volana janoary no ho mankaty. Olona 14 isa no efa voasambotra hatreto raha roa monja no nahazo fahafahana vonjimaika. Miisa 132 kosa ireo fikambanan-jiolahy rava raha miisa 110 ireo olona voasambotra ary ny 89 tamin’ireo dia naiditra am-ponja avokoa. Ho an’ireo jiolahy rain-dahiny indray dia 435 no voasambotra, 23 ireo lavo teo am-panatanterahana ny asa ratsiny raha nampidirina am-ponja avokoa ny ambiny. Miisa 55 moa ireo basy tratra tany amin’ireo olon-dratsy ka ny 24 dia PA avokoa, ny iray revolver, 21 isa fusils de chasse ary ny valo ambiny “armes de fabrication artisanale” niampy mas 36 iray sy bala 336. Hitohy hatrany ny ezaka hiantsorohan’ny polisim-pirenena raha ny vaovao azo omaly. Tsy ho diso anjara amin’izany ny ady amin’ny kolikoly izay tsy hisy fandeferana intsony ho an’izay tratra, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Toraka izany koa ny fanaraha-maso ireo polisy tsy manara-dalàna, ny fandrindrana ny famindran-toerana… Fantatra fa mbola manana olana arak’olona sy ara-pitaovana izy ireo. Raha polisy telo misahana olona 1.000, ohatra ho an’ny fenitra iraisam-pirenena dia mbola lavitra izany ny eto amintsika izay nanaovan’izy ireo fangatahana manokana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT