FAKANA AN-KERINY TAO MAINTIRANO

Avotra soa ama-tsara izy mirahavavy, dahalo iray no lavo


  • Zoma 07 Jona 2024

Nitrangana fanafihana narahana fakàna an-keriny tany amin’ny distrikan’i Maintirano,

Faritr’i Melaky ny 02 Jona lasa teo tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro. Nampiasain'ireo mpaka an-keriny ny findain'ny voatafika izay azon'izy ireo ary niantsoan'izy ireo ny fianakavian'i ireto zazavavy roavavy izay nalain'izy ireo an-keriny. Nitaky vola 6 tapitrisa Ar ary haterina eny Atsinanan'ny tanànan'i Mandroatse fokontany ao ihany, Kaominina Andréa, Distrika Maintirano izany vola izany. Nisy ny paikady sy ny rindran-damina napetraky ny kolonely kaomandin'ny vondron-tobim-pileovan’i Melaky izay narahan'ny pitsopitsony notanterahin'ny Kaomandin'ny Kompania ao Maintirano teny an-kianja ka nifandrombonana tamin'ireo ekipa sy zandary. Ny 04 Jona lasa teo tokony tamin'ny 06 ora sy sasany hariva dia raikitra ny fifanjevoana rehefa voahodidina ny toerana misy ireo jiolahy.Azo sambo-belona ny iray tamin'izy ireo raha tafaporitsaka ny namany hafa. Germain na Baban'i Nozia no anaran'ity mpaka an-keriny iray voasambotra ity ary any Beteno, Kaominina Marohazo distrikan’i Maintirano no fiaviany. Naseho azy roavavy izay niharan'ny fakàna an-keriny ity dahalo iray voasambotra ity ka samy nanamarina izy roavavy fa isan'ireo mpaka an-keriny nitondra azy ireo ity farany, izay niainga teo amin'ny tanàna nisy azy ireo ka hatramin'ny fotoana nahavototra azy.Mitohy ny fikarohana ireo namany. Ny 05 jona rehefa nasaina hanoro ny toerana nieren'ireo namany ity jiolahy dia nanararaotra ny bozaka lava ka nitari-dositra. Raikitra ny fanenjehana saingy tsy nety nijanona ity dahalo ka voatery nampiasa fitaovana ny mpitandro filaminana antony nahalavo azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Avotra soa amantsara izy mirahavavy nisy naka an-keriny ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT