Fandriampahalemana

Fakana an-keriny tao Antsirabe Tratra ireo namono sy nitetitetika ilay zazavavy


  • Talata 14 Septambra 2021

Nahitam-bokany indray ny ezaky ny mpitandro filaminana momba ny resaka fakana an-keriny tao Antsirabe, rehefa nokarohina nandritra ny 7 volana ireo mpanao ratsy.

 Taorian’ny 5 septambra lasa teo mantsy dia nanomboka hita ny nisy ireo olon-dratsy nanao izany, araka ny vaovao voaray avy any Antsirabe. Araka ny fanazavana nentin’ny Kaomisera Andriamampionona Ramaromanompo Romule, dia ny 25 martsa no nitrangana ny fakana an-keriny ny zazavavy iray antsoina hoe Maminirina Charline ary tsy hita izy nanomboka teo. Ny 31 martsa 2021 dia nisy olona nitaky vola 10 tampitrisa Ariary tamin’izy ireo, ka hovonoin’izy ireo ilay zazavavy raha tsy manome io vola io ny Ray aman-dReniny. Tsy nisy moa ny vola ka novonoin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy ary teny Andranomanelatra no nahitana ny fatiny efa votetitetika ny 4 aprily lasa teo. Nangina ny raharaha teo, saingy ny 5 Septambra lasa teo dia nahazo antso indray ny fianakaviana fa hovonoin’izy ireo indray ny zokin’i Charline ilay efa maty raha tsy manome vola 3 tapitrisa Ariary indray ny fianakaviana. Teo no nanomboka ny fikarohana tamin’ny alalan’ilay antso an-tarobia ka tratra tao Mangaika, kaominina Bongatsara ny olona roa nitazona ilay laharana ary hita teo ihany koa ilay zokin’ilay zazavavy efa maty, izay tsy nahalala mihintsy ny fandehan’ny resaka rehetra. Olona 3 moa no natolotra ny fampanoavana omaly maraina, fantatra fa niray tsikombakomba tamin’ity fakana an-keriny tovovavy ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT