12 andro taorian’ilay fakana an-keriny nataon’ireo andian-jiolahy miisa 05 an’i Akil Cassam Chenai tao an-tranony ao Salazamay, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny Emmo-Reg atsinanana nanomezan’izy ireo ny fandehan’ny fikarohana sy ny fanadiadiana ary ny fisamborana ireo mpaka an-keriny, izay hita avy hatrany fa tena mampiaiky azy ireo fa sarotra sy mikatso tanteraka ny raharaha.
Efa fantatra izao ny momba ilay fiara 2995 TR nentin’ireo mpaka an-keriny nitondra an’i Akil Cassam Chenai nitsoaka tratra tao Andranomadio P/elle 11/43 fa fiara novidian’ireo mpaka an-keriny teto Antananarivo talohan’ny nanaovana ity fakana an-keriny ity. Tao anatin’izay 12 andro izay ihany koa dia naka alika mpitsongo dia avy eto Antananarivo ny Emmo-Rég Toamasina manampy azy ireo amin’ny fikarohana, ka tao anatin’izay dia olona 7 no nosamborina sy nohenoina, olona 8 hafa nambara fa vavombelona no efa nalaina am-bavany, ary tranon’olona 8 hafa no efa nosavaina tao Mangarano sy Andranomadio ary Tsarakofafa, ka tafiditra tamin’izany ny tranon’ireo olom-panjakana maromaro mipetraka ao amin’ny « Cité Trano Mora » Barikadimy izay nahatonga fitarainana sy fimenomenoma noho ny fahafaham-baraka azon’ireo voasava trano nefa ny tonia mpampanoa lalàna no nanome ny baiko, hoy ny Emmo-Rég. Ho fanatsarana ny fitadiavana an’i Akil sy ho fanavotana ny ainy dia nanova paik’ady mba hahazoam-bokatra ny mpitandro ny filaminana mitambatra. Misy ny fanomezana « Valisoa lehibe » ho an’ireo manome vaovao ny Emmo-Rég. Efa mazava ihany koa izao fa 2 tamin’ireo 5 nitondra basy mahery vaika naka an-keriny ireto dia avy ao Toamasina, ka noho ireo sakana efa natao amin’ny RN2 sy RN5 dia mbola ao Toamasina izy ireo miandry ny fifanarahana amin’ny fianakavian’ny Akil izay tena mbola sarotra ho an’ireo mpaka an-keriny noho ny haavon’ireo teknolojia misy ankehitriny; koa ho fanamorana izany dia misy ny laharana navoakan’ny Emmo-Rég hifandraisana amin’ireo mety afaka hanome ny vaovao mitondra ny laharana Telma: 034.49.740.46 sy ny Airtel: 033.18.678.25 izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.