Fandriampahalemana

Fakana an-keriny tany Toamasina Misy miaramila sy polisy voasambotra


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Toamasina i Arman Kamis taorian’ny famoahan’ny zandary azy rehefa avy nametraka ny fitoriany.

 

 

 Nomarihany fa olona dimy nirongo basy ireo naka azy an-keriny tao Ampasimazava ny alarobia 21 novambra tolakandro teo. Taorian’ny fifindrany fiara in-droa dia nogiazana tao amin’ny trano be tao Tsararivotra ny tenany ary nofatorana ny tongony sy ny tanany mba tsy ho afaka hitsoaka sy hihetsika firy. Lehilahy efatra no mifandimby mankao amin’ny efitra nasiana azy, ka ny roa misaron-tava. Nisy vehivavy maromaro mifandimby manatitra sakafo koa nandritra izany ka saika manao satroka be sy misarom-boaly avokoa izy ireo ka tsy hitany ny tarehiny. Nambarany ihany koa fa misy olon-kafa mivezivezy ao amin’ity trano be misy azy ity ka rehefa misy izany dia mihidy irery ao anaty efitrano maizina ao ny tenany, izay tsy afaka nihinana fanafody amin’ny maha diabetika azy sy ny fandidiana fo nataony, hany ka sady sahiran-tsaina sy vatana amin’ny ainy, sy amin’ny fianakaviany, ary ny daroka nahazo azy, hany ka very 5 kg tao anatin’ny dimy andro nanagiazana azy. Nambarany tamin’izao fijoroana vavolombelona nataony tamin’ny mpanao gazety izao fa vola telo miliara ariary no nangatahan’izy ireo taminy sy ny fianakaviany. Ny zoma lasa teo no nanaovana ny fangatahana izay narahana sary tao anaty “clé usb” misy sary na ran’akoho ho fampihorohoroana ny fianakaviany fa raha tara ny fanomezana ny vola telo miliara ariary izay tsy nisy adivarotra mihitsy dia ho faty ny tenany satria hoe maratra mafy nandritra ny fihazonana azy. Tamin’izao fanafahana azy izao anefa dia miroso haingana be ny fanadihadiana ny raharaha satria efa olona efatra sahady no voasambotry ny zandary, ka ny roa sivily izay voasambotra ny alatsinainy nanaovan’ny zandary ny hetsika, ny roa kosa ny talata teo izay polisy sy miaramila am-perinasa ao Toamasina avokoa izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana. Ireo telo lahy tamin’ireo tena jiolahy mpaka an-keriny tafatsoaka dia mbola karohan’ny zandary fatratra ankehitriny.

 

 

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT