Fandriampahalemana

Fakana an-keriny tany Marovoay Mpivady no ati-doha nikotrika


  • Zoma 10 Aprily 2020

Nisy trangana fakàna an-keriny zazavavy iray 22 taona tao Ambalarano, Fokontany sy kaominina Marosakoa distrikan’i Marovoay ny 02 aprily lasa teo.

 

 

Jiolahy miisa 5 sy ramatoa iray no tompon'antoka tamin’izany ka efa voasambotra avokoa. Notakian'ireo mpaka an-keriny vola mitentina 15.000.000 Ar ny Ray aman-drenin’ilay zazavavy natao takalon’aina. Rehefa nanao fikarohana ny zandary ao Ankazomborona sy Marovoay izay notarihin’ny Komandin'ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga niaraka amin’ireo lefiny dia avotra soa aman-tsara ilay zazavavy tamin’ny 06 aprily teo tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro. Noho ny fahaiza-manao sy ny fahakingan'ireo mpanao famotorana dia tsy nisy vola lasan’ireo jiolahy tamin’ny fahazoana io zazavavy io. Araka ny vela-pandrika natao dia olona miisa 06 no voasambotra ka ny 02 amin’izy ireo dia tratra miaraka tamin’ilay zazavavy ary 04 kosa dia voatonon’ireo roa lahy ho mpiray tsikombakomba aminy. Rehefa natao ny fisavàna ny tranon'ny mpivady anisan'ny ati-doha niketrika izao heloka bevava izao dia nahitàna ody gasy sy mohara maro ary sabatra fampiasain'ny olon-dratsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT