FAKANA AN-KERINY OLONA VARIRA

Nahatratra 21 ny 2023, tafakatra 5 ireo namoy ny ainy


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Miaina anaty tebiteby isan’andro ireo olona manana toe-tena

varira eto amintsika, indrindra fa ny any amin’ny faritra . Hatreto mantsy raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Association Albinos Madagascar Atoa Soja Ramindrisoa Fulgence dia tsy manana antoka ny amin’ny hahafahany miaina malalaka toy ny olon-drehetra izy ireny. Izay raharaha rehetra tonga eny anivon’ny Fitsarana hoy izy dia toa maty momoka sy tsy misy tohiny daholo nefa ny fakana an-keriny sy ny famonoana etsy an-daniny mitohy hatrany. Ho an’ny taona 2023 fotsiny raha araka ny fanazavany hatrany dia nahatratra 21 isa ireo olona varira nalaina an-keriny teto amintsika ka ny 5 tamin’ireo no namoy ny ainy. Miisa 25 isa kosa izany tamin’ny taona 2022 ka ny 7 no namoy ny ainy izay ankizy ny ankamaroany. Notsiahiviny moa fa indraindray mahatratra 4 isam-bolana ireo olona manana toe-tena varira misy maka an-keriny eto amintsika ka tamin’ny farany teo ohatra dia Renim-pianakaviana iray vao 40 taona monja no notapahan’ny sasany ny lohany. Voatery natoby eny anivon’ny zandarimariam-pirenena avokoa noho izany ireo olona manana toe-tena varira ao Betroka ho fiarovana ny ainy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray andraikitra manoloana izany araka izany ny filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar Atoa Soja Ramiandrisoa Fulgence.
Pati
Legende : Tandindomin-doza hatrany ireo olona varira eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT