Fandriampahalemana

Fakana an-keriny Nisy tranga 11 tao anatin’ny herintaona


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Miisa 241 ireo trangana halatra sy fanafihana mitam-piadiana niseho manerana ny Nosy tao anatin’ny herin-taona izany hoe :

nanomboka ny volana Janoary teo ka hatramin’ity volana desambra 2022 ity, tatitra navoakan’ny polisim-pirenena. Miisa 226 tamin’ireo no tanteraka ka 15 kosa ireo voasoroka mialoha. Ny faritra Analamanga sy Menabe ary Atsinanana no nahitana taha ambony indrindra raha ny faritra Analanjirofo sy Betsiboka ary Sofia no nahitana tranga mihiba indrindra. Nahatratra 11 kosa ny trangana fakana an-keriny niseho. 1.290 ireo olona voasambotra mahakasika izany ka ny 27 kosa no namoy ny ainy. Mahakasika ny zava-mahadomelina indray dia alikaola frelates 4.024 litatra no tra-tehaka tany Menabe sy Atsinanana. Cannabis milanja 448, 50kg no sarona tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy . Milanja 149, 62 g kosa ny heroine, mitontaly 88,6g raha 4,4g ny métamphétamine . Paraky gasy 320g ihany koa no tratra. Miisa 670 indray kosa ny trangana fitorohana voarain’ny Sampan-draharaha « cybercriminalité » ; 378 no voakirakira. Miisa 335 ireo olona voasambotra sy nanaovana fanadihadiana ka taorian’ny fanadihadiana sy fanolorana ny fitsarana dia 115 ireo naiditra am-ponja vonjy maika raha 220 kosa no nahazo fahafahana vonjy maika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT