FAKANA AN-KERINY

Nahatratra 97 ireo olona lasibatra tamin’ity taona 2024 ity


  • Zoma 27 Desambra 2024

Taona tena nampahazo vahana ny fakana an-keriny ity taona 2024 ity teto Madagasikara.

Faritra miisa 3 no tena nahitana betsaka izany hoy ny vaovao dia ny tao amin’ny faritr’i Betsiboka ahitana ny distrikan’i Tsaratanana, Atsimo Andrefana ary Anjozorobe Faritra Analamanga. Ho an’ilay tranga farany teo ohatra dia lehilahy miisa 5 be izao no indray nalain’ny jiolahy an-keriny tao Marotsipoy Anjozorobe. Efa nandoavan’ny fianakaviany volabe izy ireo ho tambin’ny ainy saingy mbola novonoin’ireo tsy mataho-tody ihany ka mbola hita niaraka tamin’ny vatana mangatsiakany ny tanana aman-tongotr’izy ireo nifatotra. Mitontaly 97 isa izy ireo hatreto ka ny 6 no namoy ny ainy. Jiolahy miisa 9 ihany koa no namoy ny ainy vokatr’izany raha mpitandro ny filaminana miisa 9 no lasibatra. Vola manodidina ny 300 tapitrisa Ar no lasan’ireo jiolahy tamin’ireo tranga fakana an-keriny ireo ka ny am-pahany ihany no tafaverina amin’ny tompony raha fitaovam-piadiana maromaro ihany koa no azon’ny mpitandro ny filaminana. Antony nampirongatra ny fakana an-keriny moa raha tsiahivina ny tsy fisian’ny omby hoalain’ireo dahalo azo havadika vola eo noho eo intsony. Olona indray no nalainy vokatr’izany ka amin’ny alalan’ny fianakavian’ireo olona ireo no hitadiavany ilay volabe vidin’omby azony teo aloha.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo olona nisy naka an-keriny dia novonoina tany Tsaratanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT