Fandriampahalemana

FAKANA AN-KERINY MPIASAM-PANJAKANA


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Olona telo no voasambotry ny zandary tao Isoanala sy Beakanga, momba ny raharaha fakana an-keriny ny mpiasam-panjakana iray eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala ao Betroka.

 

 

 

Vola mitentina 2,3 tapitrisa ariary no hita teny amin’ireo olon-dratsy ary fitaovam-piadiana sasantsasany koa. Raha tsiahivina dia nahazoan’ireo mpaka an-keriny vola mitentina 12 tapitrisa ariary ny fianakavian’ity mpiambina ala ity, talohan’ny namotsoran’ireo azy. 

ZANDARY MIADY AMIN’NY FAHAFATESANA

 

Zandary iray indray no miady amin’ny fahafatesana rehefa voatifitry ny dahalo. Ny fokonolona izay niaraka taminy dia nisy iray maty koa. Izany no nitranga tany Antsalova nandritry ny fanarahan-dia natao. Miisa roapolo mahery ireo dahalo tsy nisalasala nitifitra rehefa tafiditra tao anaty kizo. Mitohy hatrany ny herisetra ary isan-kerinandro, hatramin’ny telo volana tamin’ny taon-dasa, dia misy zandary latsak’aina hatrany. 

KARATRA MAHA MATIHANINA

 

Fa mieritreritra ny asa fanaovan-gazety ho toy ny kilalao sy hataony amin’izay tiany ve ny minisiteran’ny serasera ? Nilaza indray ireo omaly fa haverina hosokafana ny fandraisana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety manomboka amin'ny volana febroary izao. Fanaovana karatra izay efa mpanao gazety an-jatony maro no tsy nanaraka azy io satria tsy manara-dalàna. Izao indray dia mbola hotohizana ny fanaovana an’izany kanefa ny eo aza tsy eken’ny maro. Ny OJM amin’io mitazam-potsiny ary manaraka ny baikon’ny minisitera.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT