Fandriampahalemana

Fakana an-keriny mirongatra Efa misy fiara sy olona araha-maso


  • Zoma 03 Jona 2022

Manoloana ny raharaha fakana an-keriny tovovavy nirongatra tato ho ato dia nanao fanambarana omaly ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa misy ny fepetra maromaro ho raisain’izy ireo.

Efa misokatra ny fanadihadiana ifandrimbonan’ireo rantsana manokana eo anivon’ny borigady misahana heloka bevava, ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka, borigady misahana ny zava-maha domelina ary ny polisy an-tanan-dehibe. Namafisina ireo fepetra efa noraisina eo anivon’ireo toeram-pianarana eto an-drenivohitra iaraha-miasa amin’ny CISCO. Ho hamafisina koa ny fisafoana eny amin’ireny toerana mahavory olona sy be olona ireny, indrindra, ny faritra ivoahana sy idirana eto an-drenivohitra. Miantso ny ray aman-dreny sy vahoaka ho tony sy tsy hisalasala hanome ny angom-baovao na fiara mampiahiahy io na olona mampiahiahy. Mahakasika ireo tranga miisa 2 niseho tamin’ity herinandro ity dia efa misy fiara sy olona araha-maso mampiahiahy ary eo am-pikarohana izahay ankehitriny. Antsoy ny 0202228170 ahafahana misambotra ireo olona manakorontana saim-bahoaka ireo, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
Legende: Efa manadihady mba hamantarana ny tena marina ny polisim-pirenena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT