Fandriampahalemana

Fakana an-keriny Karana Mikorapaka ny fanjakana


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Miezaka mampiseho fandraisan’andraikitra ny fanjakana eo anatrehan’ny fakana an-keriny mahazo ny karana. Nibahan-toerana izany nandritra ny filankevitry ny governemanta, notarihin’ny Minisitry misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, misolo tena ny praiminisitra omaly teny Mahazoarivo.

  Efa nandefasana iraka manokana hanampy ny any Toamasina sy hanamafy ny fanadihadiana lalina. Mandeha ihany koa ny fisavana sy ny fikaroham-baovao,... Manano sarotra ny fiaraha-miasa sy fakam-baovao amin’ny fianakavian’ireo lasibatra izay matetika manda, raha ny fanazavan’ny Minisitra Andrianisa Mamy Jean Jaques. Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny kosa nampahatsaiahy ny tafatafa niarahany tamin'ny mpitarika ny CFOIM (Fikamban’ny Karana mizaka ny zom-pirenena Frantsay), fa amin'ny fandraisana an-tànana amin'ireo heloka bevava ireo, dia tsy maintsy manaraka ny lalàna velona, ka tokony hametraka ny satany ho lasibatra ny fianakavian’ny nalaina an-keriny. Nampahatsiahy ny efa nametrahana ny “Cellule anti-kidnapping” iraisan’ny  polisy sy zandary, ary tarihin’ny mpitsara ambony eo anivon’ny fampanoavana mpampanoa eto Antananarivo kosa ny minisitry ny fitsarana. Tapaky ny filan-kevitry ny goverenemanta, fa hifandinika ireo minisitera 3 voakasiky ny fitandroana ny filaminan’ireo teratany vahiny, dia  ny Minisitry ny atitany,  ny raharaham-bahiny, ary ny fitsarana, fa hisy faran'izay haingana ny fihaonana amin'ny solontenan'ireo fikambanan’ny Indianina isan-karazany mba hahafahana maiara-manolotra paikady mahomby sy azo antoka, hampitsaharana ity resaka fakana an-keriny ity. Tompon’ny vola sy harena ny karana, ka toa marary amin’ny mpitondra sy hananany hena-maso, fa ny Malagasy tsy mandry andro, tsy mandry alina kosa toa tsy mba misy mpijery na zara raha rarahiana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT