Fandriampahalemana

Fakana an-keriny Karana Lasibatra ny tompon’ny “Le Grand Mellis”


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Vao ny alatsinainy5 jona teo no votsotra i Yanish Ismael, dia nipoitra sahady indray ny fakana an-keriny. Teratany karana zanaky ny tompon’ny hotely Le Grand Mellis sy ny tranombarotra Chandarana eny Tsaralalana indray no nisy naka an-keriny teny Behoririka omaly alarobia maraina tokony ho tamin'ny 8 ora latsaka fahefany.

  Nivoaka ny tranony izy ary saika hamonjy ny fiarany nijanona teo akaikin'ny tobin-tsolika no nosamborin'ny 3 lahy nisaron-tava sy nirongo basy, izay nitondra "motos". Nakarin'izy ireo teo ambonin'ilay "moto" iray izy ary nanao taingin-telo. Nalaina ihany koa ny fanalahidin’ny fiara mba hanasarotana ny mety ho fanarahan-dia ireo mpaka an-keriny. Nikiakiaka niantso vonjy ihany ilay karana fa tsy afa-nanoatra ny olona manodidina satria nandrangaranga fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy. Raha ny fanamarihan’ny nanatri-maso dia basy poleta miisa 3 sy kalachnikov 1 no nentin’izy ireo, ary miisa 3 ireo miaraka amin’ilay nitondrana ilay karana ny “motos”, irony sokajy matanjaka irony mihitsy. Tsy arakaraka ny filazan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra amin’ny handraisana fepetra hentitra mba hifehezana ny fakana an-keriny ny zava-misy fa ny mifanohitra tanteraka. Nampimenomenona ireo diplomaty sy ny mpandraharaha vahiny ny resaka fakana an-keriny, ka izay no nahataitra ny mpitondra, saingy ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra. Nandritra ny raharaha Ismael dia nanao antso avo amin’ny fandraisana andraikitra mivantana ny governemanta Maorisianina sy ny Masoivoho vaovaon’i Inde eto Madagasikara sy ny mpandraharaha isan-tsokajiny ary nilaza mihitsy fa hisy fiantraikany ratsy amin’ny asa fandraharahana eto Madagasikara izany. Efa niparitaka hatrany ivelany ny fitantaran’i Yanish Ismael ny nanjo azy satria niditra mivantana tao amin’ny onjam-peon’ny RFI ny tenany, ka nilaza fa afobe no niainany. Tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny fanjakana tamin’ny raharaha fa ny fianakaviana no nanao izay nanafahana azy tamin’ny fandoavana volabe tamin’ireo mpaka an-keriny. Ny resaka mandeha moa dia ny samy karana ihany no ao ambadik’izy ireny izay mifankalala afera sy harena. Petra-kevitra hafa ihany koa anefa ny mety hahatafidiran’izany amin’ny resaka politika amin’ny maha antomotra ny fifidianana 2018, ka ny vola maloto azo avy amin’ny fakana an-keriny no hatao fafy katrana hividianana ny safidim-bahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT