Fandriampahalemana

Fakana an-keriny hafahafa Tovovavy iray indray no nisy nanary teny Ambohijoky


  • Zoma 10 Jona 2022

Tovovavy iraay mboa tena tanora erotrerony no hita teny Ambohijoky omaly hariva; rah any angom-baovao teny an-toerana sy ny nambaran’ny depioten’Atsimondrano Andry Ratsivahiny dia nisy nanary teny Ambohijoky ity tovovavy ity.

Hita ho hafahafa , toa verivery saina izany izy, tsy miteny , tsy mivolana , tsy mety mamaly rehefa anontaniana ary hita ho matahotr’olona indrindra fa raha lehilahy no manatona azy.Tombanana ho nisy naka an-keriny ity tovovavy ity tahaka ireo tranga efa nisy tany aloha ka nariana avy eo.Tsy mbola fantatra mazava hoe fiara toa inona no nanary ity tovovavy izy, na hoe nandeha tongotra ve izy sa ahoana. Taona faha 5 eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona izy, izany hoe olona mianatra sy salama saina tsara.Tsy mbola fantatra mazava ny nanjo azy sy ny nihatra taminy fa efa nentina any amin’ny hopitaly mba hatao fizahana sy omena ny fitsaboana sahaza azy izy aloha.Voalazan’ireo nanatri-maso ihany koa fa misy karazana ratra amin’ny tanany; tombanana fa nomena zava-mahadomelina mahery vaika ity tovovavy ity raha ny fahitana ny fihetsiny ondrakondrafana sy toa hafahafa izany.Mbola mitohy izany ilay resaka fakana an-keriny hafahafa na dia efa nohamafisina aza ny fitandroana ny filaminana sy ny fisafoana etsy sy eroa ho an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT