Fandriampahalemana

Fakana an-keriny an’i Owne Alek Enin-taona aty aoriana, voasambotra i Abdi


  • Zoma 15 Mey 2020

Voasambotra koa i Nomenjenahary Sami na i Abdi ilay niray tsikombakomba tamin’ireo mpaka an-keriny naka an’i Owne Alek teratany indo-pakistanais.

 

 

 

 Raha tsiahivina kely dia izy no mpanamboatra fiara niasa tao amin’ny magasin STI Mangarano Toamasina an-dRain’i Owne Alek ary mahafantatra tsara ity fianakaviana ity. Ny 11 mey teo no voasambotry ny borigadin’ny zandarimaria nasionaly ao Fenerive- Atsinanana tao amin’ny EPP Sahavola ny lehilahy tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva. Izy raha ny vaovao azo no nanome ny momba momba ny fianakavian’i Owne Alek tany amin’ireo mpaka an-keriny sy ny fiaim-piainan’izy ireo andavanandro. Nentina avy hatrany eto Antananarivo moa i Abdi hanaovana fanadihadiana. Tamin’ ny 24 janoary taona 2014 raha tsiahivina no nisy naka an-keriny tao Ambohijafy Toamasina i Owne Alek. 6 taona aty aoriana, hita tao Mangarivotra Toamasina ny taolam-balony izay nalevina tao an-tokontany ihany. Ankoatra an’i Abdi moa dia efa saron’ny zandary tao Fenerive Est i Ramanantsoa Alain Joachin na Ralava izay voalaza fa mpaka an-keriny ihany koa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT