Fandriampahalemana

Fakana an-keriny an’i Lalaina tany Itasy Ilay mpanampy ihany no nahavanon-doza


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Hita soamantsara ny Sabotsy 27 aogositra teo tany Ikianja Ambohimangakely i Lalaina 12 taona ilay zazavavy kely nisy naka an-keriny tany Ambohitraivo Ambohidanerana , distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy.

Raha tsiahivina dia tamin’ny 09 aogositra lasa teo no nanjavona ity zazavavy kely ity.Fantatra fa lehilahy mpanampy tao antranon-dRay aman-dReniny ihany no naka an’i Lalaina ary nitaky vola 50 tapitrisa Ar tamin'ny alalan'ny antso an-telefaonina afaka telo andro. Notsirihina tamin'ny tambazotram-pifandraisana sy tsongodia ara-toerana ilay laharana niavian'ny antso ary sarona tamin'izany tovolahy iray hafa mpifandray amin'ilay mpanampy matetika. Tra-tehaka tao an-tranona vehivavy roa mpiray tsikombakomba tao Ankadivory fokontany Antanetibe Ikianja kaominina Ambohimangakely ity farany, izay nanoro ny toerana misy ilay zaza sy ilay mpanampy naka an-keriny sy nanao takalon'aina azy. Nentina nozahana teny amin'ny toeram-pitsaboana ilay zaza ary hita fa salama tsy manahy ka nomena ny Ray aman-dReniny ; raha natao andrimaso ho amin'ny famotorana lalina kosa ireo olona 4 nahavanon-doza mialohan’ ny hanolorana azy eo anatrehan'ny Fitsarana. Niaiky ny heloka vitany avokoa ireo olona 4 voarohirohy. Marihina fa tsy misy na ariary azon'izy ireo satria tsy nandoa vola sandan'ny famotsorana ny takalon'aina ireo Ray aman-dReny fa natoky tanteraka ny fahaizamanaon'ireo zandary nanao famotorana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza efa eo ankohonan’ny Ray aman-dReniny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT