Fandriampahalemana

Fakana an-keriny - Ambohimangakely Mpivady sy ny vadikelin’ny takalon’aina no atidoha


  • Talata 19 Febroary 2019

Sakaiza manody ! Mpivady nampangain’ny akanjony sy ny fitakiana omby nataon’ny olon-tian’ilay vehivavy nalaina an-keriny no voarohirohy tamina kidnapping ka tratran’ny Borigadin’ny zandary teo Ambohimangakely, ny talata 12 febroary teo.

 

 

Ny sabotsy mialoha io no tsy hita ilay ramatoa 51 taona mipetraka eny Ambatotokana, fokontany Tsarahasina. Nisy mpivady iray tanàna aminy niantso azy hiaraka hisotrosotro, nitady ny fomba rehetra hisintonana azy io eo anilan’ireo havany niara-niantsena taminy. Tsy tafody ilay ramatoa ny hariva. Nikaroka ny fokonolona ary velon’ahiahy ka nanontaniana ireo mpivady. Nambarany fa efa ela izy ireo no nisara-dalana. Ny ampitson’io, tonga tao Ambatotokana ny vadikelin’ilay ramatoa, izay efa tsy nandalo roa volana sady niserana nilaza haka kara-panondro. Nitohy ny fikarohan’ny mponina ary saika hitory io sakaizany io ny alatsinainy fa nosakanan’ireo mpivady nitondra ilay ramatoa nisotro ary nilaza fa efa misy mahita tsy lavitra izy. Nony antoandro, niverina tao amin’ny havany io lehilahy io ka nilaza fa raha mamoaka omby iray ho azy amin’ny 5 ora hariva dia tafaverina eo ilay vehivavy. Nandeha nitory an’io lehilahy io sy ireo mpivady teny amin’ny zandary Ambohimangakely ny fianakaviana, ny 12 febroary. Samy voasambotra izy ireo ary nofotorana. Nandritra izany, nanaovan’ilay vehivavy ny akanjon’ilay ramatoa very. Ny harivan’io, hita teny amin’ny fasana eny an-toerana ilay ramatoa, efa niboridana sy may ny lamosiny ary naratra ny tanany sy ny fivaviany izay efa samy nivoaka olitra  avokoa, ary very saina izy ka nentin’ny zandary sy ny mponina teny amin’ny hopitaly avy hatrany. Niakatra fampanoavana ny sabotsy 16 febroary teo izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana noho ny vesatra maro iampangana azy ireo, tahaka ny fandratrana, fitakiana omby, fanolanana ary ny fakana an-keriny.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT