Fahapoizinana ara-tsakafo

Olona 3 ihany koa maty tany Mahajanga


  • Alarobia 18 Jona 2025

Nitrangana fahapozinana ara-tsakafo na «intoxication alimentaire» ihany koa tao Mahajanga,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly hariva. Olona miisa 3 no maty vokatr’izany, raha ny tarehimarika farany voaray, izay nahitana lehilahy lehibe iray sy vehivavy lehibe izay, ary niampy ankizy vavy kely iray. Zaza miisa 4 hafa no mbola araha-maso ihany koa ny fahasalamany. Izy ireo izay fianakaviana iray mipetraka eny Tsaramandroso Ambony. Voalaza fa nihinana «charcuterie» na itony karazan-kena voavantina toy ny «mortadelle» na «jambon» itony ny alahady fetin’ny Ray teo no mety nahatonga izay loza izay. Tonga nijery ireo tsaboina sy nankahery ireo mana-manjo teny amin’ny CHU Pezaga Androva ireo manampahefana ao an-toerana, izay notarihin’ny Governoran’ny faritra Boeny sy ny ben’ny tanànan’i Mahajanga. Tsy maintsy hisy ny fepetra ho raisina manoloana izao tranga izao. Entanina kosa ny isan-tokantrano mba tsy ihinana ireo karazana «charcuteries» mandram-pisian’ny valin’ny fitsirihana ataon’ny mpitsabo, hoy hatrany ny fampitam- baovao omaly. Ny tranga tetsy Imerinkasinina, Ambohimalaza izany io mampivarahontsana io satria 17, raha ny tarehimarika voaray farany, no isan’ny namoy ny ainy, ary mbola andrasana hatramin’izao ihany koa ny tohin’ny fanadihadiana momba izany, dia io koa ankehitriny ny tranga Mahajanga.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT