Fandriampahalemana

Fahantrana, asan-jiolahy, faty olona,… “Izahay aloha izao no eto, mahandrasa 2018”


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Tsy milamina ny tany sy ny fanjakana, saingy tsy mahataitra sy maharototra ny fanjakana HVM intsony.

Na izy ireo aza mbola variana miady seza sy efa mifanipy hoditr’akondro noho ny ady tombontsoa sy fahefana. Ny fitiavam-bola sy fitiavan-tena diso tafahoatra no mibaiko fa izay fahasahiranam-bahoaka any tsy misy mpiraharaha. Tsotra ny valin-teny rehefa mahazo kiana amin’ny tsy fahaizana sy ny hadalana mihoapampana ny fitondrana dia ny “Mahandrasa ny 2018”. Mpanolotsain’ny filoha nalaza tamina kolikoly avo lenta aza moa nahavita niteny fa “izahay izao no eto, ary anay ny fahefana”. Fanjakan’ny be sandry sy be vola noho ny kolikoly no misy eto, ka ny gisa mangala-ketsa indray no avo vava. Mila miandry ny 2018 izany ny Malagasy vao afaka ny hanova sy handrodana ny fanjakana efa tsy mahomby sy tsy vonon-kiova satria izy ireo izao no eo amin’ny fahefana, dia afaka manao izay tiany sy danin’ny kibony. Ny hiandry sy ny hiaritra mety ho vita fa loza mitatao ihany koa no mety hiseho, ary efa manomboka izy io. Tsy misy fiovana sy fihaiken-keloka azo antenaina amin’ny mpitondra ankehitriny, kanefa efa iaraha-mahita ny tsy hanekena sy tsy hamotsorany mora foana ny fahefana eo am-pelatanany ka izay mitady hanelingelina dia efa vonona ny herim-pamoretana handrava sy hampihoroho. Ny fanafihana mitam-piadiana sy vono olona mahatsiravina etsy sy eroa kosa tsy ahitam-bahaolana, kanefa mbola mahavita midingin-drambo hatrany. Toa efa mpitondra lany henatra no eto, ka minia tsy te hahalala ireny toe-javatra rehetra ireny, kanefa mbola hilingilingy hamikotra amin’ny fahefana sy hamboly korontana hatrany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT