Fandriampahalemana

Faha-100 taonan’ny SEMIPI Nanotrona tany an-toerana ny fikambanana Perfect Madagascar


  • Zoma 26 Mey 2023

Nafana ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Ancien des enfants de troupe na ny sekoly miaramilam-pirenena eto Madagasikara (SE.MI.PI) tany Fianarantsoa.

Omaly Talata 25 May no nankalazana izany tamim-pomba ofisialy raha diabe sy fanolorana faneva ny filoha nasionaliny kosa no nanokafana ny fankalazana teto Antananarivo tamin’ny Alatsinainy 22 may lasa teo. Fandresena, fahaizana ary fahendrena moa no teny faneva nentin’izy ireo nanamarihana izany. Tonga nanotrona izany tany an-toerana Rtoa Ranaivojaona Sylvia izay Reny mpiahy ny AET no sady filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar. Notsiahiviny nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa fikambanana tsy mialonjafy ny Perfect Madagascar.Misokatra amin’ny rehetra izy no sady afaka miara-miasa amin’ny rehetra ihany koa, ao anatin’ilay tanjona hampandroso sy hampivoatra ny firenena. Hisy moa ny hetsika goavana hotanterahin’izy ireo amin’ny volana aogositra na jolay ho avy izao mbola tafiditra ao anatin’izay asa sosialy himasoany izay ihany.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny AET otronon-dRamatoa Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT