Fandriampahalemana

Fa misy inona ? Nampivory OMC ny Praiminisitra


  • Talata 17 Novambra 2020

Namory an’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana manerana ny nosy (Organisme Mixte de Conception – National) teny amin’ny Lapam-panjakanan’i Mahazoarivo ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly 16 novambra.

 Tsy matetika ny famoriana OMC Nasionaly izany, fa misy antony govana matoa atao, ary matetika amina vanim-potoana mivaivay na miendrika hamehana eto amin’ny firenena no hanaovana azy. Azo heverina fa isan’ny anton’io ny fiakaran’ny maripana politika toy ny hetsiky ny mpanohitra tany Antsirabe ny sabotsy nahavory vahoaka izay efa endrika fampitandremana ny Fanjakana. Ny fidirana an-kianja rahateo no voasakana, fa ny teny an-dalambe tsisy azo natao, fa notazanim-potsiny. Narahana fandaharana nivaivan’ireo mpitarika tsy nitsitsy fitenenana ny alahady. Tsy zavatra matetika ny fivorian’ny OMC Nasionaly izany, fa misy antony goavana, ka ao raha, hoy ny fitenenana. Na izany aza, notaterina taorian’ny fivorian’ny OMC, fa noresahina ireo fepetra maro lafy samihafa, tsy maintsy horaisina ambara fa ao anatin’ny fametrahana hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Vovonana iray andinihana mahakasika ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena ny « OMC », ary amin’izao fotoana izao, dia maro ireo zavatra tsy maintsy atrehina ho fanamby ka ilaina tohizana ny fametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana, hoy fanazavana. Tafiditra ao anatin’io mazava ho azy ny fitoniana ara-politika. Isan’ny noresahina ny fanomanana ny fifidianana hatao ny 11 desambra ho avy izao, satria araka ny Lalàmpanorenena dia hifarana ny fepotoana iasan’ireo Loholon’i Madagasikara, ka nojerena ny fandraisana andraikitra isan-tsokajiny mba hahatomombana izany fifidianana izany, araka ny tanjona napetraka, hoy ny tatitra.

HIADY AMIN’NY, HERISETRA, FANOLANANA,…

 Nambara, fa nojerena ny mahakasika ireo toe-javatra manahirana miseho amin’ny endriny samihafa, toy ny halatr’omby, ny firongatry ny herisetra atao amin’ny olombelona, tsy fandriampahalemana, doro tanety, fampihorohoroana, ary ny trangam-piaraha-monina hafa. Nohamafisina ireo fepetra noraisin’ny filankevitry ny Minisitra mikasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny fanolanana zaza tsy ampy taona,…. Tsy maintsy hojerena manokana ny lafiny fandriampahalemana mandritra ny Baolina kitra lehibe hifandrinan’ny Barea sy ny Elafantan’i Côte d’Ivoire anio, mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy, ka notsipihiny fa ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina no efa mandray andraikitra amin’izany, hoy ny Praiminisitra.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT