Fandriampahalemana

Etamazaoron’ny tafika Malagasy Manohy hatrany ny fanavaozana ny fomba fiasa


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Nasiam-panovana ny rafitra eo anivon’ny etamazaoron’ny tafika Malagasy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

 

 

 Tsy misy intsony, noho izany, ny CEMGAM na “Chef d'Etat major général de l'Armée Malagasy” fa niova ho CEMA na “Chef d'Etat Major de l'Armée”. Ny RFI dia ahitana tafika an-tanety na « armée de terre » sy « batallion parachutiste » ary tafika an-dranomasina na « armée de mer ». Eo koa ny BIMA, izay tafika ana habakabaka na « Armé de l'air». Toy izao kosa no fandaminana ny rafitra ankapobeny, misy ny BOA «Base Operation Avancée» izay misy miaramila miisa 80. Eo koa ny DSS na « Détachement Spécial de securité », miisa 20 izy ireo. 9 napetraka tamin’ny taona 2020 ary 11 tamin’ity taona ity. Amin’ny martsa izao no ho raisina amin’ny fomba ofisialy ireo miaramila miisa 1200 vao hampidirina ao anaty rafitra. BOA ny 900 ny isa amin’izy ireo, raha ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT