EGNA Ambositra

Mpiadina ho zandary avy nanao 1000m namoy ny ainy


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Tovolahy iray antsoina hoe Rabotoson Jean Sitraka Joie mpiadina afaka fiodinana voalohany tamin'ny fifaninana

hidirana ho mpianatra zandary no namoy ny ainy ny talata teo. Isan'ireo afaka avy amin'ny Faritra Menabe izy io, ary lavo teo am-piatrehana ny dingana faharoa. Avy niatrika ny fifaninanana hazakazaka 1000 metatra ny alatsinainy teo no tojo olana. Tsy fantatra mazava izay anton’ilay fahafatesana, fa voalaza ho nahatsapa fanimpanina io mpifaninana io rehefa vita ilay hazakazaka, raha ny tatitra. Nangataka hipetraka izy tamin’izany ka nony tafapetraka dia tsy tafatsangana intsony ary mbola nilaza fa fanina. Nandray an-tanana nitsabo azy avy hatrany ny mpitsabo tao amin’ny Sekoly « EGNA » ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly tao Ambositra. Na teo aza izany, dia tsy tana ny ainy ny ny andron’ny alatsinainy iny ihany rehefa nihareraka sy nihasempotra, ary izao niafara tamin'ny famoizany ny ainy izao. Nentina niverina sy nierata-tory tao amin'ny sekolin’ny zandary ao Ankorombe moa ny razana, ka afak'omaly no nalefa namonjy ny toerana niaviany any Belo Sur Tsiribihina faritra Menabe, raha ny vaovao farany. Tsara ny manamarika fa nanomboka ny 28 novambra teo ny fifaninanana fiodinana faharoa hidirana ho mpianatra ho Zandary andiany faha 79 ao amin’ny « EGNA » Ambositra. Tanora lahy sy vavy miisa 1739 avy any amin’ireo faritra 24 manerana ny Nosy no miatrika ny fifaninana ka anisan’izany ity tovolahy namoy ny ainy ity. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankaviana, ary mankahery ireo tanora an'anarivony handalo sedra sy fitsapana samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT