Fandriampahalemana

Efa nokarohina hatry ny ela Maty voatifitra tao Fianarantsoa ilay jiolahy


  • Zoma 20 Janoary 2023

Jiolahy iray no lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao Fianarantsoa omaly alakamisy 19 janoary tao amin’ny fokontany Maromby.

Raha araka ny fantatra dia jiolahy iray rain-dahany amin’ny fanafihana mitam-piadiana ity lavon’ny balan’ny Polisy ity izay saika hanao fanafihana tao amin’ity Fokontany nahatrarana azy ity. Efa hain’ny mpitandro ny filaminana mialoha anefa io fikononkononana io ka nanao ny velapandrika rehetra izy ireo. Vokany, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity. Efa karohin’ny polisy any an-toerana fatratra moa ity farany ary efa mpanao io asa ratsy io any amin’iny faritra Fianarantsoa sy ny manodidina iny. Mbola misy ireo namany izay karohina ary ao anatin’ny fanadihadihana tanteraka ny Polisy miasa any an-toerana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT