Fandriampahalemana

Distrikan’Ikongo Hanjakan’ny fitsaram-bahoaka


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Trangana fitsaram-bahoaka miisa 5 tao anatin’ny 3 volana no niseho tao amin’ny distrikan’Ikongo, hoy ny depiote voafidy tany an-toerana, Brunel Razafitsiandraofa.

Tsy matoky ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fitsarana ny vahoaka any an-toerana. Tsy vitan’ny lavitra ny toerana misy ny fitsarana fa mbola hanjakan’ny kolikoly koa matetika ny raharaha miakatra eny. Ny taona 2014 izahay sy ny fokonolona any an-toerana no efa namolavola dinam-pokonolona ahafahana mifampifehy sy mifanara-maso ao an-toerana, hoy izy, saingy hatramin’izao tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny fitsarana. Nanao antso avo tamin’ireo vahoakany izy mba hanatsahatra ny fitsaram-bahoaka. Nana antso avo tamin’ny mpitondra ka izy ny handraisan’ireto farany andraikitra ahafahana misoroka ny hatezeram-bahoaka. Nohamafisiny koa ny tokony hankatoavana ny dinam-pokonolona izay efa novolavolain’izy ireo 3 taona lasa.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT