Fandriampahalemana

Distrikan’i Morombe Manjaka ny Dahalo


  • Talata 19 Mey 2020

Vono olona feno habibiana no mahazo ny vahoaka ao amin'ny distrikan’i Morombe rehefa ny fitsarana, ny off-coord na zandarimaria any an-toerana sy ny kaomandin’ny CIRGN Toliara no miray tsikombakomba amin'ny dahalo,

 

 

 hoy ny fampitam-baovaon’ny solombavambahoaka avy any an-toerana, Lucien Rakotomalala. Nataon'izy ireo izay naha rava ny Dinabe satria raha mbola eo ny Dinabe dia tsy hisy ny vola azon'izy ireo amin'ny kolikoly. Amin'ny maha solombavambahoaka ny tenako dia efa im-betsaka no nisy fihaonana niarahako tamin'ireo tompon'andraikitra toy ny minisitry ny fitsarana sy ny SEG nefa tsy nisy vokany izany, hoy hatrany ny fanazavany, mihorohoro tanteraka ny vahoaka any an-toerana. Isan’ireo namoy ny ainy tao anatin’izany habibiana izany ny mpampiveloba na « sage femme » iray tao Ambahikily sy ny mpanaradia ao Befandriana Atsimo. Efa nisy mpanaradia roa koa matin'ny dahalo tao Antanimeva, herinandro lasa izay, nefa tsy azo sary izany ary ny fianakavian'ireo maty izay tompon'omby indray no ampanamborin'ny fitsarana. Tsara ho marihina fa misy dahalo iray tratran'ny fokonolona tamin'io fotoana io izay efa naterina tany amin'ny zandarimaria nefa tsy mety mandray ireto farany. Mbola tazonin'ny fokonolona io dahalo io hatramin'izao, hoy hatrany ny fitantaran’ity solombavambahoaka ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT