Fandriampahalemana

Distrikan’i Miandrivazo Noraisim-potsiny ireo mpivarotra taolam-paty


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Mpirahalahy iraitampo nikasa hivarotra taolam-paty no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Soatanimbary, kaominina ambanivohitra Manambina distrikan’i Miandrivazo omaly.

Raha araka ny fantatra dia efa nitady mpividy eran’ny tanana izy ireo ka nandritra izany no nanaovan’ny mpitandro ny filaminana velam-pandrika nahafahana nisambotra azy ireo. Azo niaraka tamin'izy ireo nandritra izany ny taolan-dava miisa 117, milanja 35 kilao. Mbola tsy fantatra kosa anefa ny niavian'ireto taolana ireto. Tsy fantatra ihany koa na mpanera izy roalahy na tena mpaka taolana any anaty fasana mihitsy. Hamidin’ireo olon-dratsy 20 tapitrisa Ar moa ny iray kilao amin’ny taolam-paty raha araka ny fantatra hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo taolam-paty tratra
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT