Fandriampahalemana

Distrikan’i Miandrivazo Fandrika ho an’ny mpanao afera ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 19 Desambra 2017

Fandrika efa nahafatesana mpanao afera maromaro no misy any Miandrivazo, hoy ireo mpisehatra mpandraharaha madinika amin’ny harena an-kibon’ny tany maro indrindra ny avy aty an-drenivohitra, ka mahatofoka azy ireo tanteraka hatramin’ny namonoan’olona ny “légionnaire”

Malagasy iray  nidina tany an-toerana hividy merkiora ny 12 desambra 2017 teo. Mody misy mpanera avy any Miandrivazo, mampilendalenda ny mpanera avy aty an-drenivohitra ka milaza ny fisiana entana lafo vidy toy ny merkiora sy vatosoa. Mitady izay mpanam-bola mpiara-miasa aminy kosa ireto farany, hoentina any mba hahazoana ny tamberim-bidy ifanarahana. Efa misy tetika maty paika hamandrihana azy ireo anefa any an-toerana ka voaroba hatrany izay tonga any ary lazaina fa notafihin’ny dahalo. Nampitombona ny ahiahin’ireo mpanao afera amn’ny fisian’ny manampahefana any an-toerana mitsikombakomba ao anatin’izao raharaha maizina izao ny nahafatesan’io “legionnaire” Malagasy voalaza teo io. Notsenain’ny mpanera tany an-toerana teo amin’ny  fokontany Ambalakida, kaominin’ Ankotrofotsy, distrikan’i Miandrivazo, eo amin’ny  RN34, izy sy ilay mpanera vavy sy lahy niara-dia taminy avy aty Antananarivo. Notarihina nandeha an-tongotra avy eo ka nisy nanafika rehefa tratra hariva teny an-dalana. Vokany : maty ilay “legionnaire”e ary lasa ny volany nitentina 5 tapitrisa ariary mahery nefa tsy nisy naka ny basiny. Najanona tany Ambalakida, nampiandrasina fiara ilay vehivavy fa naka mpitari-dalana tao ilay mpanera avy any Miandrivazo. Nisy nanongotra koa ny kojakoja lafo vidy (calculateur) tao amin’ny fiarany ka ninoan’ny namany fa tsy dahalo no hahavita izany.

Efa voasambotry ny zandary ao amin’ny brigade Ambatolahy ny ahiana ho tomponantoka tamin’izao raharaha izao saingy mipetraka hatrany ny ahiahin’ny mpibizina amin’ny fisian’ny manampahefana ao an-damosin’izy ireo matoa tsy nisy tohiny ny momba ireo rehetra ireo voa teo alohany. Nomarihin’ny fianakaviany fa mety hitohy lavitra ity raharaha ity satria mizaka ny zom-pirenena frantsay io miaramila io ary ao anaty fotoana ialany sasatra (permission) ara-dalàna amin’izao fotoana izao.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT