Namoy namana iray ny Zandarimaria noho ny fiarovana ireo vahoaka ifotony,ée
hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Maty "ho an'ny Tanindrazana" ny Lietnà Razafimanantsoa Toaviniaina Brice, lefitry ny Kaomandin'ny Vondron-tobim-paritra ao Maevatanàna. Notafihin'ny jiolahy am-polony mirongo fiadiana mpangalatr'omby ny tanànan'i Sarodrano fokontany Marofototra commune rurale de Maevatanana -II distrika Maevatanana, omaly faha 22 janoary tamin'ny 5 ora maraina. Raha vao nahare izany ny Zandarimaria dia nanetsika ireo Zandary rehetra manodidina notarihin'ny Lietnà voalaza etsy ambony. Ny mitaovovonana dia tratra ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana tao Antanifotsy, fokontany Mahatsinjo CR Bemokotra. Vokany, namoy ny ainy ny mpanaradia miisa 2 dia ny Lietnà izay nitarika sy sivily iray; misy fokonolona nanaradia miisa 2 ihany koa naratra voatifitra; Dahalo miisa 2 no lavo teo an-toerana raha maro ny naratra. Tafaverina avokoa ireo omby 165. Efa tonga hanampy tosika any an-toerana ireo Zandary maro avy aty Maevatanàna raha efa manao hetsika hazalambo an'ireo jiolahy avokoa ny manodidina sy ny fokonolona. Nentina namonjy fitsaboana haingana ireo mpanaradia naratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.