Distrikan’i Betroka

Nahatrarana rongony 100 gony indray


  • Zoma 09 Mey 2025

Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,

Fokontany Mahatalaky, Kominina ambanivohitra Ivahona, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Lehilahy miisa 3 no voasambotra vokatr’izany. Raha tsiahivina dia ny 6 may lasa teo, tamin'ny 5 ora maraina, no nahazo antso an-telefonina ny lehiben'ny zana-tobim-paritra tao Ivahona, mikasika ny fisian'ny andian'olona maromaro milanja rongony avy any amin'ny tangorom-bohitra Andriry. Rehefa izay, dia niroso tamin'ny velam-pandrika ahafahana mahatratra ireo mpitarazo rongony ireo avy hatrany ny zandary tao amin'ny PA Ivahona. Nanampy azy ireo tamin'izany ny avy aty Betroka. Vokany, rongony 50 tarazo miisa 100 gony, milanja 1450 Kilao, no sarona rehefa nafenin'ireo mpilanja rongony tao anaty ala antsoina hoe Agnalampangitsy, fokontany Mahatalaky, komina Ambanivohitra Ivahona. Lehilahy miisa 3 ihany koa no tratra tao an-toerana niaraka tamin'ireo rongony ireo, izay efa nentina any Betroka hatao andrimaso ao amin'ny Borigady ao an-toerana mialohan'ny hanolorana azy ireo eny amin'ny fampanoavana any Betroka. Mitotaly 175 gony sy sasany ny rongony saron'ny Zandarimariam-pirenena tao Betroka tamin'ity volana may vao manomboka ity. Hodorana avokoa ireo rongony ireo rehefa mahazo alalana ahafahany miroso amin'izany ny Zandary, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy tamin'ny komandin'ny vondro-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Betroka.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT