Fandriampahalemana

Distrikan’i Betioky Atsimo Milamina noho ny fampiharana ny Dinabe


  • Zoma 17 Novambra 2017

Taorian’ny fankatoavan’ny fanjakana ny Dinabe sy nampiharana azy tany aminay dia efa milamina ny fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, hoy ny depiote avy any an-toerana,

 

 Andriamoratia Ludovic Edmond. Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny filaminan-tsain’ny mponina fa tsy misy hatahorana intsony ny fandriampahaleman’ny tanàna amin’ny alina. Efa miverina tsikelikely indray araka ny fahefa-mividiny ny fiompiana omby any an-toerana ary mandroso tsara ny fambolena isan-tokony. Ankasitrahana tanteraka ny nametrahana vondron-tafika ho an’ny Faritra Atsimo ao Ihosy, hoy ny depiote Ludovic Edmond. Tena nasongadiny mazava tsara  ny fankatoavan’ity solombavambahoaka ity ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny filazany fa diso ny filazana fa manao propagandy mialoha ny fotoana ny filoham-pirenena raha miroso amin’ny  fanaovana asa sosialy fanaony. Olona mankahala sy manasoketa fahatany ny mitsikera an’izany, hoy izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT