Fandriampahalemana

Distrikan’Ambilobe Alan-drongony 50ha no saron’ny zandary


  • Talata 02 Jona 2020

Mitohy ny ady amin'ny fambolena sy fivarotana ary fifohana zava-mahadomelina "Jamala".

 

 

 

 

Alan-drongony sahabo ho 50ha no saron'ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin'ny Vondron-tobim-paritra Ambilobe, tao amin'ireo toerana antsoina hoe Andohanifasibe sy Andranomora ary Andohanifasy, fokontany Ambanikibo kaominina ambanivohitra Anaborano-Ifasy distrika Ambilobe, nandritry ny hetsika fandriam-pahalemana nanomboka ny 24 mey 2020 teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Fototra rongony mahatratra 72.000 isa no nongotana, rongony efa maina milanja 1500 kg sy voan-drongony milanja 200kg tra-tehaka teny an-toerana no nodorana rehefa vita soa aman-tsara ny fepetra rehetra voafaritry ny lalàna. Raha atotaly ireo zava-domelina sarona (maintso, maina, voany) dia nahatratra 8 taonina eo ho eo. Tapany avaratra antsinanan'ilay ala mikitroka antsoina hoe Analabe io toerana io. Olona mpivahiny avy any amin'ny faritr’i SAVA no tompon'ireo voly midadasika be ireo, saingy tsy tratra teny an-toerana, raha ny loharanom-baovao.

J. Mirija

Legende : Santionany tamin’ny hetsik’ireo zandary tao anivon’ilay saha

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT