Fandriampahalemana

Distrikan’i Fenoarivobe Kaominina 1 amin’ny 10 no mba milamindamina


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Nambaran’ny depiote Ranaivoson Andrianavalona Fanomezanjaka voafidy tany Fenoarivobe fa anisan’ireo faritra mahamay amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ao aminy ny distrika tantaniny,

 

Faritra Bongolava. Voakilasy ho faritra mena iny toerana iny amin’ny ankapobeny, hoy izy. Kaominina 1 amin’ny 10 misy any no milamindamina fa ny sisa, saika hahenoana fanafihan-dahalo sy fangalarana omby isan’andro vaky izao. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no nisy fahaverezana omby niisa 40 tamin’ny tanànan’i Tsaranovana fokontanin’Ambohitsaratelo 3 km miala an’i Fenoarivobe ary tsy nisy tafaverina ireo. Toraka izany koa tany Mangarivo, 6 km miala ny renivohitra. Tamin’ny tapa-bolana lasa kosa dia omby 9 tamin’ireo 95 lasan’ny dahalo no tafaverina tao Ankotrabe. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny, ingahy solombavambahoaka fa ny fisian’ny fandriampahalemana no antoky ny fampandrosoana marina eto amin’ny firenena.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT