Fandriampahalemana

Distrikan’i Fenoarivobe Kaominina 1 amin’ny 10 no mba milamindamina


  • Zoma 19 Mey 2017

Nambaran’ny depiote Ranaivoson Andrianavalona Fanomezanjaka voafidy tany Fenoarivobe fa anisan’ireo faritra mahamay amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ao aminy ny distrika tantaniny, Faritra Bongolava.

Voakilasy ho faritra mena iny toerana iny amin’ny ankapobeny, hoy izy. Kaominina 1 amin’ny 10 misy any no milamindamina fa ny sisa, saika hahenoana fanafihan-dahalo sy fangalarana omby isan’andro vaky izao. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no nisy fahaverezana omby niisa 40 tamin’ny tanànan’i Tsaranovana fokontanin’Ambohitsaratelo 3 km miala an’i Fenoarivobe ary tsy nisy tafaverina ireo. Toraka izany koa tany Mangarivo, 6 km miala ny renivohitra. Tamin’ny tapa-bolana lasa kosa dia omby 9 tamin’ireo 95 lasan’ny dahalo no tafaverina tao Ankotrabe. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny, ingahy solombavambahoaka fa ny fisian’ny fandriampahalemana no antoky ny fampandrosoana marina eto amin’ny firenena.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT